Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Joba 22

1Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
3Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
4Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?
5Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
6Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra.
7Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.
8Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
9Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.
10Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
11Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
12Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!
13Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
14Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.
15Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.
16Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,
17Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay?
18Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
19Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
20Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.
21Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.
22Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
24Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
25Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
26Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.
27Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
28Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.
29Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
30Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.
HomeMenu