Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Joba 28

1Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
2Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.
3Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
4Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
5Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
6Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
7Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,
8Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
9Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;
10Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.
11Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.
12Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
13Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.
14Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
15Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
16Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
17Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
18Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
19Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
20Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
21Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.
22Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.
23Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
24Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,
25Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.
26Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,
27Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
28Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.
HomeMenu