Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Salamo 110

1Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
2Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao.
3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
4Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka.
5Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany
6Hitsara any amin'ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin'ny tany malalaka Izy.
7Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.
HomeMenu