Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Salamo 112

1Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
2Hahery ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
3Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
4Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.
5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
7Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.
8Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.
9Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
10Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.
HomeMenu