Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Ohabolana 27

1Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
2Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
3Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
4Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro?
5Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
6Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo.
7Hitsakitsahin'ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
8Toy ny voron-kely miala amin'ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin'ny fonenany.
9Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny ana-panahy ataony.
10Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
13Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny janga niantohany izy.
14Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin'ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
15Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
16Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.
17Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.
18Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
19Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
20Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona.
21Ny memy ho an'ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an'ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
22Na dia miara-totoinao ny fanoto amin'ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
23Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry aman'osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao;
24Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin'ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
25Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
26Ny zanak'ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
27Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao.
HomeMenu