Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Jeremia 46

1Ny tenin'i Jehovah Izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny jentilisa.
2Ny amin'i Egypta. Ny amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:
3Mitaova amin'ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;
4Fehezo amin'ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.
5Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
6Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
7Iza moa izato mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano
8Egypta mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
9Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.
10Fa izao andro izao dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin'ny tany avaratra ao amoron'ny ony Eofrata.
11Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin'ny ferinao ianao,
12Efa ren'ny firenena ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery, ka miara-davo izy roa tonta.
13Ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta.
14Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.
15Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.
16Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin'ny firenentsika sy ho any amin'ny tany nahaterahantsika ho afaka amin'ny sabatra mandoza,
17Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan'i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.
18Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.
19Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin'ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
20Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!
21Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
22Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin'ny famaky toy ny mpikapa hazo.
23Kapainy ny alany, hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina.
24Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan'ny olona any avaratra izy.
25Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;
26Ary hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.
27Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
28Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
HomeMenu