Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Levitikosy 18

1Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
3Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
4Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
5Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah.
6Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah.
7Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
8Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy.
9Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
10Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa.
11Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
12Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
13Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
14Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.
15Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
16Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.
17Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
18Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.
19Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy.
20Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
21Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
22Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
24Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
25Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo.
26Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
27(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
28mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
29Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
30Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
HomeMenu