Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Matio 26

1Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe Izy:
2Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
3Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
4Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy;
5kanefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin'ny olona.
6Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon'i Simona boka,
7dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
8Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao?
9Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
10Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
11Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
12Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
13Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
14Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona
15ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
16Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
17Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
18Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
19Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain'i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
20Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy.
21Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
22Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
23Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no hamadika Ahy.
24Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
25Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
26Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
27Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
28fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.
29Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
30Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.
31Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).
32Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
33Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
34Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
35Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.
36Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
37Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
38Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.
39Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
40Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
41Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
42Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
43Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
44Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
45Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.
46Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
47Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.
48Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
49Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
50Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana Azy.
51Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
52Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra.
53Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
54Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
55Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
56Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
57Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
58Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
59Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;
60fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:
61Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana.
62Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
63Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
64Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
65Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
66Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
67Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
68ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
69Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy, ilay Galiliana.
70Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
71Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
72Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
73Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
74Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
75Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
HomeMenu