Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Josoa 18

1Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
2Ary nisy firenena fito tamin'ny Zanak'Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3Dia hoy Josoa tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ?
4Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin'ny taniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa hitoetra any amin'ny taniny ao avaratra.
6Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika aho.
7Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan'i Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.
8Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.
9Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
10Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan'i Jehovah; ary tao no nizaran'i Josoa ny tany ho an'ny Zanak'Isiraely araka ny fizarany.
11Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.
12Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,
13hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,
14dia niolaka tamin'ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo anoloan'i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan'ny taranak'i Joda; izany no lafiny andrefana.
15Ary ny lafiny atsimo dia hatramin'ny faran'i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin'ny loharanon'i Neftoa,
16dia nidina hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
17dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
18dia nandroso hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay ka nidina hatrany amin'ny tani-hay.
19dia nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana; izany no lafiny atsimo.
20Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
21Ary ny tanànan'ny firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza
22sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela
23sy Avima sy Para sy Ofra
24sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
25sy Gibeona sy Rama sy Berota
26sy Mizpa sy Kefira sy Moza
27sy Rekema sy Iripela sy Tarala
28sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony.
HomeMenu