Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Genesisy 18

1Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro;
2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany
3ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.
4Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo;
5dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin'ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
6Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
7Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
8Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.
9Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.
10Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny.
11Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha.
12Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?
13Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao?
14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
15Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.
16Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
17Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko?
18Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
19Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
20Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;
21hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
22Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
23Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina?
24Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?
25Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
26Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny.
27Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:
28Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.
29Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.
30Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
31ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo.
32Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.
33Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.
HomeMenu