| 1 | Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. |
| 2 | Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. |
| 3 | Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. |
| 4 | Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: |
| 5 | Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany; |
| 6 | nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra. |
| 7 | Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. |
| 8 | Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. |
| 9 | Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. |
| 10 | Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: |
| 11 | Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; |
| 12 | ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla. |
| 13 | Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. |
| 14 | Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. |
| 15 | Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. |
| 16 | Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; |
| 17 | fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. |
| 18 | Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. |
| 19 | Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany. |
| 20 | Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. |
| 21 | Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. |
| 22 | Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. |
| 23 | Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. |
| 24 | Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. |
| 25 | Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy. |