| 1 | Dia nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela izay rehetra nataon'i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin'ny sabatra. |
| 2 | Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao. |
| 3 | Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao. |
| 4 | Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho. |
| 5 | Ary raha nandry natory teo ambanin'ny anjavidy anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna. |
| 6 | Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan'ny lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. |
| 7 | Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao. |
| 8 | Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra. |
| 9 | Ary niditra tao anatin'ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia? |
| 10 | Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy. |
| 11 | Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin'ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin'ny horohoron-tany; |
| 12 | ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy. |
| 13 | Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia ? |
| 14 | Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy. |
| 15 | Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria; |
| 16 | Ary Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao. |
| 17 | Ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Jeho kosa dia hovonoin'i Elisa. |
| 18 | Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy. |
| 19 | Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy. |
| 20 | Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho? |
| 21 | Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy. |