| 1 | Ary nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka. |
| 2 | Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i Zadoka, no mpisorona; |
| 3 | Elihorefa sy Ahia, zanak'i Sisa, no mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana; |
| 4 | ary Benaia, zanak'i Joiada, no komandin'ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona; |
| 5 | ary Azaria, zanak'i Natana, no lehiben'ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan'ny mpanjaka, |
| 6 | ary Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao fanompoana. |
| 7 | Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy. |
| 8 | Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin'ny tany havoan'i Efraima; |
| 9 | Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana; |
| 10 | Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy; |
| 11 | Ben'abinadaba tao amin'ny havoan'i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin'i Solomona, no vadiny); |
| 12 | Bana, zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr'i Jokneama no azy. |
| 13 | Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina; |
| 14 | Ahinadaba, zanak'Ido, tany Mahanaima; |
| 15 | Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona; |
| 16 | Bana, zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota; |
| 17 | Josafata, zanak'i Paroa, tany Isakara; |
| 18 | Simey, zanak'i Ela, tany Benjamina; |
| 19 | Gabera, zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada, tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin'izany tany izany. |
| 20 | Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly. |
| 21 | |
| 22 | |
| 23 | |
| 24 | |
| 25 | |
| 26 | |
| 27 | |
| 28 | |
| 29 | |
| 30 | |
| 31 | |
| 32 | |
| 33 | |
| 34 | |