| 1 | Ary Moaba niodina tamin'ny Isiraely, rehefa maty Ahaba. |
| 2 | Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara teo amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko ity, na tsia. |
| 3 | Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niteny tamin'i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo? |
| 4 | Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia. |
| 5 | Dia niverina tany amin'ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo? |
| 6 | Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin'ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. |
| 7 | Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo? |
| 8 | Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin'ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay. |
| 9 | Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin'ny mpanjaka. |
| 10 | Fa Elia namaly ka nanao tamin'ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny. |
| 11 | Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin'ny mpanjaka. |
| 12 | Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny. |
| 13 | Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto. |
| 14 | Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin'ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny. |
| 15 | Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka. |
| 16 | Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa. |
| 17 | Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda. |
| 18 | Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany? |