| 1 | Ary nisy vehivavy anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony |
| 2 | Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja. |
| 3 | Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin'ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy. |
| 4 | Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin'izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno. |
| 5 | Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo. |
| 6 | Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin'ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo. |
| 7 | Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao. |
| 8 | Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina. |
| 9 | Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy; Indro, fantatro fa masina sady lehilahin'Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva. |
| 10 | Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka. |
| 11 | Ary tamin'ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony ary nandry tao. |
| 12 | Ary hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy. |
| 13 | Ary hoy Elisa tamin'i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin'izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin'ny fireneko aho. |
| 14 | Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy? |
| 15 | Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana. |
| 16 | Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao. |
| 17 | Koa nefa nanan'anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa taminy. |
| 18 | Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray andro, |
| 19 | Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy. |
| 20 | Dia notrotroin'ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan'ny andro, dia maty. |
| 21 | Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy. |
| 22 | Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe: Masìna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin'ny lehilahin'Andriamanitra aho, dia hiverina indray. |
| 23 | Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza? |
| 24 | Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin'ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao. |
| 25 | Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry; |
| 26 | masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany. |
| 27 | Ary rehefa tonga tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko. |
| 28 | Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy? |
| 29 | Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko. |
| 30 | Ary hoy ny renin'ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy. |
| 31 | Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy. |
| 32 | Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany. |
| 33 | Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah. |
| 34 | Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy. |
| 35 | Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony. |
| 36 | Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao. |
| 37 | Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka. |
| 38 | Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany. |
| 39 | Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra. |
| 40 | Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina. |
| 41 | Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany. |
| 42 | Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny. |
| 43 | Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany. |
| 44 | Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah. |