| 1 | Adama, Seta, Enosy, |
| 2 | Kenana, Mahalalila, Jareda, |
| 3 | Enoka, Metosela, Lameka, |
| 4 | Noa, Sema, Hama ary Jafeta. |
| 5 | Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseta ary Tirasa. |
| 6 | Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma. |
| 7 | Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima ary ny Dodanita. |
| 8 | Ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. |
| 9 | Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana. |
| 10 | Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery teo ambonin'ny tany. |
| 11 | Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita |
| 12 | sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian'ny Filistina) ary ny Kaftorita. |
| 13 | Ary Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta |
| 14 | ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita |
| 15 | sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita |
| 16 | sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Harnatita. |
| 17 | Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpahada sy Loda sy Arama sy Oza sy Hola sy Gatera ary Maseka. |
| 18 | Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera. |
| 19 | Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny. |
| 20 | Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera |
| 21 | sy Hadorama sy Ozala sy Dikla |
| 22 | sy Ebala sy Abimaela sy Sheba |
| 23 | sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana. |
| 24 | Sema, Arpaksada, Sela, |
| 25 | Ebera, Palega, Reo, |
| 26 | Seroga, Nahora, Tera, |
| 27 | Abrama (dia Abrahama izany). |
| 28 | Ny zanakalahin'i Abrahama dia Isaka sy Isimaela. |
| 29 | Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama |
| 30 | sy Misma sy Doma sy Masa sy Hadada sy Tema |
| 31 | sy Jetora sy Nafisy ary Kedma. Ireo no zanakalahin'Isimaela. |
| 32 | Ary ny zanakalahin'i Ketora, vaditsindranon'i Abrahama. Izy no niteraka an'i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin'i Joksana dia Sheba sy Dedana. |
| 33 | Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Ketora. |
| 34 | Ary Abrahama niteraka an'Isaka. Ny zanakalahin'i Isaka dia Esao sy Isiraely. |
| 35 | Ny zanakalahin'i Esao dia Elifaza sy Regoela sy Jeosy sy Jalama ary Kora. |
| 36 | Ny zanak'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama sy Kenaza sy Timna ary Amaleka. |
| 37 | Ny zanakalahin'i Regoela dia Nahata sy Zera sy Sama ary Miza. |
| 38 | Ary ny zanakalahin'i Seira dia Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera ary Disana. |
| 39 | Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin'i Lotana. |
| 40 | Ary ny zanakalahin'i Sobala dia Aliana sy Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin'i Zibona dia Aia sy Ana. |
| 41 | Ary ny zanakalahin'i Ana dia Disona. Ary ny zanakalahin'i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana ary Kerana. |
| 42 | Ary ny zanakalahin i Ezera dia Bilana sy Zavana ary Jakana. Ny zanakalahin'i Disana dia Oza sy Arana. |
| 43 | Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely: Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany. |
| 44 | Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera, avy any Bozra. |
| 45 | Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin'ny tanin'ny Temanita. |
| 46 | Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany. |
| 47 | Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka. |
| 48 | Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony. |
| 49 | Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora. |
| 50 | Ary maty Bala-hanana, dia nanjaka nandimby azy Hadada; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba. |
| 51 | Dia maty koa Hadada. Ary ny loham-pirenen'i Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva loham-pireneny, Jetata loham-pireneny, |
| 52 | Oholibama loham-pireneny, Elaha loham-pireneny, Pinona loham-pireneny, |
| 53 | Kenaza loham-pireneny, Temana loham-pireneny, Mibzara loham-pireneny, |
| 54 | Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen'i Edoma. |