| 1 | Izao no zanakalahin'Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona |
| 2 | sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera. |
| 3 | Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah. |
| 4 | Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an'i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin'i Joda rehetra. |
| 5 | Ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola. |
| 6 | Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany. |
| 7 | Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona. |
| 8 | Ary ny zanakalahin'i Etana dia Azaria. |
| 9 | Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay; |
| 10 | ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda; |
| 11 | ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza; |
| 12 | ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese; |
| 13 | ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo, |
| 14 | sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy, |
| 15 | sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy; |
| 16 | Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela; |
| 17 | ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa. |
| 18 | Ary Kaleba, zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona. |
| 19 | Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain'i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an'i Hora taminy; |
| 20 | ary Hora niteraka an'i Ory; ary Ory niteraka an'i Bezalila. |
| 21 | Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy; |
| 22 | ary Segoba niteraka an'i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin'ny tany Gileada. |
| 23 | Ary nalain'i Gesora sy Arama tamin'ny Jairita ny tanàna madinika an'i Jaira mbamin'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an'ny zanak'i Makira, rain'i Gileada. |
| 24 | Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin'i Hezrona, dia niteraka an'i Asora, razamben'ny any Tekoa, taminy. |
| 25 | Ary ny zanakalahin'i Jeramela, lahimatoan'i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia. |
| 26 | Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin'i Onama. |
| 27 | Ary ny zanakalahin'i Rama, lahimatoan'i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera. |
| 28 | Ary ny zanakalahin'i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin'i Samay dia Nadaba sy Abisora. |
| 29 | Ary ny anaran'ny vadin'i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an'i Abana sy Molida taminy. |
| 30 | Ary ny zanakalahin'i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda. |
| 31 | Ary ny zanakalahin'i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin'i Sesana dia Ahelay. |
| 32 | Ary ny zanakalahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera. |
| 33 | Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin'i Jeramela. |
| 34 | Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany. |
| 35 | Ary ny zananivavy nomen'i Sesana ho vadin'i Jara mpanompony; ary izy niteraka an'i Atahy taminy. |
| 36 | Ary Atahy niteraka an'i Natana; ary Natana niteraka an'i Zabada; |
| 37 | ary Zabada niteraka an'i Efiala; ary Efiala niteraka an'i Obeda; |
| 38 | ary Obeda niteraka an'i Jeho; ary Jeho niteraka an'i Azaria; |
| 39 | ary Azaria niteraka an'i Haleza; ary Haleza niteraka an'i Elasa; |
| 40 | ary Elasa niteraka an'i Sismay; ary Sismay niteraka an'i Saloma; |
| 41 | ary Saloma niteraka an'i Jekamia; ary Jekamia niteraka an'i Elisama. |
| 42 | Ary ny zanakalahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben'ny any Zifa, sy ny zanakalahin'i Maresa, razamben'ny any Hebrona. |
| 43 | Ary ny zanakalahin'i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema. |
| 44 | Ary Sema niteraka an'i Rahama, rain'i Jorkeama, ary Rakema niteraka an'i Samay; |
| 45 | ary ny zanakalahin'i Samay dia Maona, ary Maona no razamben'ny any Beti-zora; |
| 46 | ary Efaha, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an'i Gazeza. |
| 47 | Ary ny zanakalahin'i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa. |
| 48 | Maka, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Sabera sy Tirana. |
| 49 | Izy koa niteraka an'i Safa, razamben'ny any Madmana, sy Seva, razamben'ny any Makbena sady razamben'ny any Gibea; ary ny zanakavavin'i Kaleba dia Aksa. |
| 50 | Izao no zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata: Sobala, razamben'ny any Kiriata-Jearima, |
| 51 | Salma, razamben'ny any Betlehema, Harefa, razamben'ny any Beti-gadera. |
| 52 | Ary Sobala, razamben'ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota |
| 53 | ary ny fokon'i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraita; avy tamin'ireo no nihavian'ny Zoraita sy ny Estaolita. |
| 54 | Ny zanakalahin'i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraita |
| 55 | ary ny fokon'ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba. |