Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

1 Tantara 24

1Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
2fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
3Ary Davida sy Zadoka, isan'ny taranak'i Eleazara, sy Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
4Ary ny lohany tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny taranak'Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia enina ambin'ny folo no lohan'ny fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia valo kosa no lohan'ny fianakaviana.
5Ary samy nozarazaraina tamin'ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an'Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin'ny taranak'i Eleazara, na ny avy tamin'ny taranak'Itamara.
6Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.
7Ny loka voalohany dia azon'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia,
8ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima,
9ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina,
10ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,
11ny fahasivy an'i Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania.
12ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima,
13ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba,
14ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera,
15ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza,
16ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,
17ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,
18ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.
19Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.
20Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.
21Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.
22Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.
23Ary ny amin'ny taranak'i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.
24Ny zanakalahin'i Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i Mika dia Samira;
25ny rahalahin'i Mika dia Jisia; tamin'ny taranak'i Jisia dia Zakaria.
26Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin'i Jazia dia Beno.
27Ny zanakalahin'i Merary tamin'i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.
28Avy tamin'i Maly no nihavian'i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.
29Ny amin'i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.
30Ary ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.
31Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
HomeMenu