| 1 | Ary izao no zanakalahin'i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak'i Abigaila Karmelita, no lahiaivo; |
| 2 | Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak'i Hagita, no fahefatra; |
| 3 | Sefatia, zanak'i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak'i Egla vadiny, no fahenina. |
| 4 | Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona. |
| 5 | Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak'i Batsoa, zanakavavin'i Amiela) |
| 6 | sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta |
| 7 | sy Noga sy Nafega sy Jafia |
| 8 | sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo. |
| 9 | Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin'ireo. |
| 10 | Ary ny zanakalahin'i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin'i Abia, Josafata no zanakalahin'i Asa, |
| 11 | Jehorama no zanakalahin'i Josafata, Ahazia no zanakalahin'i Jehorama. Joasy no zanakalahin'i Ahazia, |
| 12 | Amazia no zanakalahin'i Joasy, Azaria no zanakalahin'Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria, |
| 13 | Ahaza no zanakalahin'i Jotama Hezekia no zanakalahin'i Ahaza, Manase no zanakalahin'i Hezetia, |
| 14 | Amona no zanakalahin'i Manase, Josia no zanakalahin'i Amona. |
| 15 | Ary izao no zanakalahin'i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy. |
| 16 | Ary ny zanakalahin'i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak'i Jekonia. |
| 17 | Ary ny zanakalahin'Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak'i Asira, |
| 18 | ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia. |
| 19 | Ary ny zanakalahin'i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin'i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny, |
| 20 | ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy. |
| 21 | Ary ny zanakalahin'i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin'i Rafaia sy ny zanakalahin'i Arnana sy ny zanakalahin'i Obadia ary ny zanakalahin'i Sekania. |
| 22 | Ary ny zanakalahin'i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin'i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy. |
| 23 | Ary ny zanakalahin'i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy. |
| 24 | Ary ny zanakalahin'i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy. |