| 1 | Ary Benjamina niteraka an'i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo, |
| 2 | sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy. |
| 3 | Ary ny zanakalahin'i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda |
| 4 | sy Abisoa sy Namana sy Ahoa |
| 5 | sy Gera sy Sefofana ary Horama. |
| 6 | Ary izao no zanakalahin'i Ehoda (izao no lohan'ny fianakavian'ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata, |
| 7 | Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an'i Oza sy Ahihoda izy. |
| 8 | Ary Saharaima niteraka tao amin'ny tany Moaba taorian'ny nisaorany an'i Hosima sy Bara vadiny. |
| 9 | Ary Hodesy vadiny no niterahany an'i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama |
| 10 | sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan'ny fianakaviany avy. |
| 11 | Ary Hosima no niterahany an'i Abitoba sy Elpala. |
| 12 | Ary ny zanakalahin'i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an'i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny; |
| 13 | Beria koa sy Sema, izay lohan'ny fianakavian'ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata; |
| 14 | ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota |
| 15 | sy Zebadia sy Arada sy Adera |
| 16 | sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin'i Beria ireo), |
| 17 | ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera |
| 18 | sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba (zanakalahin'i Elpala ireo), |
| 19 | ary Jakima sy Zikry sy Zabdy |
| 20 | sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala |
| 21 | sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin'i Simey ireo), |
| 22 | ary Jispana sy Hebera sy Eliala |
| 23 | sy Abdona sy Zikry sy Hanana |
| 24 | sy Hanania sy Elama sy Antotia |
| 25 | sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin'i Sasaka ireo), |
| 26 | ary Samseray sy Seharia sy Atalia |
| 27 | sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin'i Jerohama ireo). |
| 28 | Ireo no lohan'ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema. |
| 29 | Ary tao Gibeona no nonenan'ny razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka, |
| 30 | ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba, |
| 31 | dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera. |
| 32 | Ary Miklota niteraka an'i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy. |
| 33 | Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala. |
| 34 | Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an'i Mika. |
| 35 | Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza. |
| 36 | Ary Ahaza niteraka an'i Joada; ary Joada niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza; |
| 37 | ary Moza niteraka an'i Binea; Rafa no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Rafa, Azela no zanakalahin'i Elasa |
| 38 | Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Azela. |
| 39 | Ary ny zanakalahin'i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy. |
| 40 | Ary ny zanakalahin'i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak'i Benjamina. |