Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

Nehemia 6

1Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin'izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
2dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin'izay vohitra anankiray amin'ny tany lemak'i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
3Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra?
4Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.
5Dia nirahin'i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany,
6izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin'ny firenena maro izao teny izao, sady lazain'i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
7sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren'ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra.
8Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.
9Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin'ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako!
10Ary izaho dia tonga tao an-tranon'i Semaia, zanak'i Delaia, zanak'i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon'Andriamanitra ao anatin'ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy.
11Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
12Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan'i Tobia sy Sanbala.
13Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy.
14Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.
15Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola.
16Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.
17Ary tamin'izany andro izany ny manan-kaja amin'ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i Tobia, ary ny avy tamin'i Tobia kosa tonga tany aminy.
18Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton'i Sekania, zanak'i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama, zanak'i Berekia.
19Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.
HomeMenu