| 1 | Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita, |
| 2 | dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro. |
| 3 | Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy. |
| 4 | Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano. |
| 5 | Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao: |
| 6 | Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy, |
| 7 | dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao: |
| 8 | Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo; |
| 9 | ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato; |
| 10 | ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato; |
| 11 | ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo; |
| 12 | ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; |
| 13 | ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato; |
| 14 | ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato; |
| 15 | ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato; |
| 16 | ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato; |
| 17 | ny taranak'Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo; |
| 18 | ny zanak'i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato; |
| 19 | ny taranak'i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo; |
| 20 | ny taranak'i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato; |
| 21 | ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo; |
| 22 | ny taranak'i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato; |
| 23 | ny taranak'i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato; |
| 24 | ny taranak'i Harifa dia roa ambin'ny folo amby zato; |
| 25 | ny taranak'i Gibeona dia dimy amby sivi-folo. |
| 26 | Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato; |
| 27 | ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato; |
| 28 | ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo; |
| 29 | ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato; |
| 30 | ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato; |
| 31 | ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato; |
| 32 | ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato; |
| 33 | ny mponina tany amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo; |
| 34 | ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; |
| 35 | ny zanak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato; |
| 36 | ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato; |
| 37 | ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato; |
| 38 | ny zanak'i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo. |
| 39 | Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato; |
| 40 | ny taranak'Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo; |
| 41 | ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo; |
| 42 | ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo. |
| 43 | Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo. |
| 44 | Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak'i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato. |
| 45 | Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato. |
| 46 | Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota, |
| 47 | ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona, |
| 48 | ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, |
| 49 | ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara, |
| 50 | ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, |
| 51 | ny taranak'i Gazama, ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, |
| 52 | ny taranak'i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita, |
| 53 | ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora, |
| 54 | ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa, |
| 55 | ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema, |
| 56 | ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa. |
| 57 | Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny zanak'i Perida, |
| 58 | ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela, |
| 59 | ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona. |
| 60 | Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato. |
| 61 | Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy): |
| 62 | ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato. |
| 63 | Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany. |
| 64 | Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana. |
| 65 | Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima. |
| 66 | Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina, |
| 67 | afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy; |
| 68 | ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato; |
| 69 | ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo. |
| 70 | Ary ny sasany tamin'ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin'ny rakitra. |
| 71 | Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin'ny rakitra hanaovana ny asa. |
| 72 | Ary izay nomen'ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo. |
| 73 | Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra. |