| 1 | Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko |
| 2 | Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho. |
| 3 | Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy? |
| 4 | Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona? |
| 5 | Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao, |
| 6 | No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako, |
| 7 | Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao? |
| 8 | Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao. |
| 9 | Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao! |
| 10 | Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry? |
| 11 | Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra. |
| 12 | Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko. |
| 13 | Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao: |
| 14 | Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko. |
| 15 | Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho. |
| 16 | Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy. |
| 17 | Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy. |
| 18 | Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory. |
| 19 | Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana. |
| 20 | Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely, |
| 21 | Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana, |
| 22 | Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any. |