| 1 | Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: |
| 2 | Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va? |
| 3 | Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra, |
| 4 | Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho. |
| 5 | Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao! |
| 6 | Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao. |
| 7 | Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha |
| 8 | Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? |
| 9 | Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina. |
| 10 | Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy? |
| 11 | Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy. |
| 12 | Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona. |
| 13 | Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao, |
| 14 | Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; |
| 15 | Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; |
| 16 | Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy. |
| 17 | Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina. |
| 18 | Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy. |
| 19 | Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao. |
| 20 | Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina. |