| 1 | Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany. |
| 2 | Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory. |
| 3 | Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny. |
| 4 | Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra, |
| 5 | Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany! |
| 6 | Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro. |
| 7 | Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo? |
| 8 | Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo |
| 9 | Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy? |
| 10 | Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo. |
| 11 | Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy? |
| 12 | Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo. |
| 13 | Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy. |
| 14 | Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho. |
| 15 | Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho. |
| 16 | Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany. |
| 17 | Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko. |
| 18 | Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho. |
| 19 | Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina. |
| 20 | Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho; |
| 21 | Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao. |
| 22 | Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho. |
| 23 | Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho. |
| 24 | Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao? |
| 25 | Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao? |
| 26 | Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako; |
| 27 | Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao. |
| 28 | Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao. |