| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: |
| 2 | Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny? |
| 3 | Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo. |
| 4 | Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako. |
| 5 | Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra, |
| 6 | Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony. |
| 7 | Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny. |
| 8 | Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako. |
| 9 | Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako. |
| 10 | Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako. |
| 11 | Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho. |
| 12 | Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko. |
| 13 | Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa. |
| 14 | Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy. |
| 15 | Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho. |
| 16 | Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho. |
| 17 | Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho. |
| 18 | Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny. |
| 19 | Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko. |
| 20 | Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra. |
| 21 | Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy. |
| 22 | Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko? |
| 23 | Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny! |
| 24 | Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy! |
| 25 | Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy. |
| 26 | Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra; |
| 27 | Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko. |
| 28 | Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy. |
| 29 | Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana. |