| 1 | Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: |
| 2 | Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko. |
| 3 | Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako. |
| 4 | Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany, |
| 5 | Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44 |
| 6 | Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany, |
| 7 | Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy? |
| 8 | Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy. |
| 9 | Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany. |
| 10 | Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny. |
| 11 | Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany. |
| 12 | Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany, |
| 13 | Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany, |
| 14 | Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny. |
| 15 | Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany. |
| 16 | Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana. |
| 17 | Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono. |
| 18 | Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany. |
| 19 | Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy. |
| 20 | Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy. |
| 21 | Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany. |
| 22 | Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy. |
| 23 | Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy. |
| 24 | Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina; |
| 25 | Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy. |
| 26 | Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy. |
| 27 | Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy, |
| 28 | Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany. |
| 29 | Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy. |