| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: |
| 2 | Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy! |
| 3 | Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka! |
| 4 | Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin'izay no nivoaka avy tao aminao? |
| 5 | Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any. |
| 6 | Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra. |
| 7 | Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy. |
| 8 | Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra. |
| 9 | Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy. |
| 10 | Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina. |
| 11 | Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony. |
| 12 | Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba; |
| 13 | Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra. |
| 14 | Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany? |