| 1 | Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina. |
| 2 | Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato. |
| 3 | Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana; |
| 4 | Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy. |
| 5 | Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo. |
| 6 | Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy |
| 7 | Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery, |
| 8 | Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka. |
| 9 | Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony; |
| 10 | Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa. |
| 11 | Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava. |
| 12 | Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana? |
| 13 | Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy. |
| 14 | Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina. |
| 15 | Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny; |
| 16 | Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza. |
| 17 | Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy. |
| 18 | Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy. |
| 19 | Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara |
| 20 | Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana? |
| 21 | Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina. |
| 22 | Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy. |
| 23 | Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany; |
| 24 | Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao, |
| 25 | Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana. |
| 26 | Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana, |
| 27 | Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy; |
| 28 | Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana. |