| 1 | Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: |
| 2 | Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy! |
| 3 | Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina; |
| 4 | Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra; |
| 5 | Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako; |
| 6 | Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko; |
| 7 | Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana, |
| 8 | Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro; |
| 9 | Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava; |
| 10 | Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny. |
| 11 | Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy, |
| 12 | Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy. |
| 13 | Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko. |
| 14 | Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako. |
| 15 | Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa. |
| 16 | Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko. |
| 17 | Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany |
| 18 | Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho. |
| 19 | Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina. |
| 20 | Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako. |
| 21 | Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy. |
| 22 | Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy. |
| 23 | Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana. |
| 24 | Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo. |
| 25 | Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho. |