| 1 | Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny |
| 2 | nanao hoe: |
| 3 | Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina! |
| 4 | Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy; |
| 5 | Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy. |
| 6 | Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana; |
| 7 | Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby; |
| 8 | Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona; |
| 9 | Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy, |
| 10 | Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko. |
| 11 | Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e? |
| 12 | Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako? |
| 13 | Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra, |
| 14 | Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava, |
| 15 | Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony; |
| 16 | Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory. |
| 17 | Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra; |
| 18 | Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy. |
| 19 | Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony. |
| 20 | Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana? |
| 21 | Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina: |
| 22 | Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana, |
| 23 | Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina. |
| 24 | Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako; |
| 25 | Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy. |
| 26 | Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby. |