| 1 | Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra. |
| 2 | Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako. |
| 3 | Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka. |
| 4 | Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy. |
| 5 | Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara. |
| 6 | Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga. |
| 7 | Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao. |
| 8 | Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe: |
| 9 | Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka; |
| 10 | He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho; |
| 11 | Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra. |
| 12 | He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona. |
| 13 | Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony? |
| 14 | Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany, |
| 15 | Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana, |
| 16 | Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy, |
| 17 | Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana. |
| 18 | Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana. |
| 19 | Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava; |
| 20 | Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny. |
| 21 | Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo; |
| 22 | Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina. |
| 23 | Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona, |
| 24 | Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho, |
| 25 | Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy; |
| 26 | Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany. |
| 27 | Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko; |
| 28 | Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava. |
| 29 | Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza, |
| 30 | Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina. |
| 31 | Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny. |
| 32 | Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho; |
| 33 | Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao. |