| 1 | Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe: |
| 2 | Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana. |
| 3 | Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina. |
| 4 | Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika. |
| 5 | Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny; |
| 6 | Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho. |
| 7 | Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano. |
| 8 | Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy? |
| 9 | Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra. |
| 10 | Koa amin'izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka! |
| 11 | Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy. |
| 12 | Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny. |
| 13 | Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao? |
| 14 | Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy, |
| 15 | Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona. |
| 16 | Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko |
| 17 | Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao? |
| 18 | (Mety va ny miteny amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!), |
| 19 | Dia Ilay tsy mizaha ny tavan'ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan'ny tànany avokoa izy rehetra. |
| 20 | Maty amin'ny indray mipi-maso monja amin'ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana. |
| 21 | Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy. |
| 22 | Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren'ny mpanao ratsy. |
| 23 | Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany. |
| 24 | Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy. |
| 25 | Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy. |
| 26 | Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo eo imason'ny vahoaka. |
| 27 | Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory, |
| 28 | Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory. |
| 29 | Mangina Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny firenena, na amin'ny olona tsirairay, |
| 30 | Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka. |
| 31 | Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony; |
| 32 | Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony? |
| 33 | Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao. |
| 34 | Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe: |
| 35 | Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena. |
| 36 | Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy! |
| 37 | Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra. |