| 1 | Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany. |
| 2 | Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany. |
| 3 | Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin'ny faran'ny tany. |
| 4 | Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra. |
| 5 | Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy. |
| 6 | Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy. |
| 7 | Mampiohona ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony; |
| 8 | Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany. |
| 9 | Avy any atsimo ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka. |
| 10 | Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka. |
| 11 | Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra dia ampieleziny; |
| 12 | Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao, |
| 13 | Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa. |
| 14 | Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra. |
| 15 | Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony? |
| 16 | Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana? |
| 17 | Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo, |
| 18 | Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina? |
| 19 | Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina, |
| 20 | Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va? |
| 21 | Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany. |
| 22 | Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra. |
| 23 | Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory. |
| 24 | Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy. |