| 1 | Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe: |
| 2 | Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana? |
| 3 | Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio: |
| 4 | Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. |
| 5 | Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? |
| 6 | Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, |
| 7 | Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra? |
| 8 | Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, |
| 9 | Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony, |
| 10 | Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana |
| 11 | Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? |
| 12 | Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro, |
| 13 | Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy? |
| 14 | Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny, |
| 15 | Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina. |
| 16 | Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina? |
| 17 | Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana? |
| 18 | Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany. |
| 19 | Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina? |
| 20 | Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony. |
| 21 | Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao! |
| 22 | Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra, |
| 23 | Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika? |
| 24 | Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany? |
| 25 | Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana, |
| 26 | Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, |
| 27 | Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? |
| 28 | Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando? |
| 29 | Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy? |
| 30 | Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina. |
| 31 | Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy? |
| 32 | Mahavoaka ny Mazarota amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? |
| 33 | Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao? |
| 34 | Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka? |
| 35 | Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? |
| 36 | Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? |
| 37 | Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'ny lanitra, |
| 38 | Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga? |
| 39 | Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora, |
| 40 | Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala? |
| 41 | Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina? |