| 1 | Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy? |
| 2 | Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? |
| 3 | Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany. |
| 4 | Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony. |
| 5 | Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia, |
| 6 | Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany? |
| 7 | Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha; |
| 8 | Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy. |
| 9 | Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina? |
| 10 | Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy? |
| 11 | Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao? |
| 12 | Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao? |
| 13 | Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony? |
| 14 | Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka, |
| 15 | Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia. |
| 16 | Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany; |
| 17 | Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana. |
| 18 | Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy. |
| 19 | Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony? |
| 20 | Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony! |
| 21 | Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy. |
| 22 | Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra. |
| 23 | Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy. |
| 24 | Miriotra mafy amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. |
| 25 | Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra. |
| 26 | Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo? |
| 27 | Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy? |
| 28 | Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana. |
| 29 | Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony. |
| 30 | Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy. |