| 1 | Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza? |
| 2 | Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako? |
| 3 | Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa. |
| 4 | Tsy mbola hangina Aho ny amin'ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny. |
| 5 | Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona? |
| 6 | Iza no mahasokatra ny varavaran'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina! |
| 7 | Reharehany ny faharaoraon'ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo; |
| 8 | Mikirindro ireo, ka tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany. |
| 9 | Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina, |
| 10 | Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina. |
| 11 | Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy. |
| 12 | Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana. |
| 13 | Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany. |
| 14 | Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana. |
| 15 | Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana. |
| 16 | Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary. |
| 17 | Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa. |
| 18 | Raha misy mamely azy amin'ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka. |
| 19 | Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina. |
| 20 | Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady. |
| 21 | Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona. |
| 22 | Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy. |
| 23 | Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy. |
| 24 | Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina. |
| 25 | Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra. |
| 26 | Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy |
| 27 | |
| 28 | |
| 29 | |
| 30 | |
| 31 | |
| 32 | |
| 33 | |
| 34 | |