| 1 | Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao? |
| 2 | Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana. |
| 3 | Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho; |
| 4 | Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy; |
| 5 | Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany |
| 6 | Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana, |
| 7 | Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra |
| 8 | Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko, |
| 9 | Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa, |
| 10 | Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha, |
| 11 | Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory, |
| 12 | Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany; |
| 13 | Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava; |
| 14 | Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina; |
| 15 | Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy. |
| 16 | Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava |
| 17 | Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha; |
| 18 | Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana. |
| 19 | Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao. |
| 20 | Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy; |
| 21 | Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana; |
| 22 | Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia; |
| 23 | Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao; |
| 24 | Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao; |
| 25 | Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany; |
| 26 | Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana. |
| 27 | Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara. |