| 1 | Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny? |
| 2 | Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany, |
| 3 | Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy. |
| 4 | Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro. |
| 5 | Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray. |
| 6 | Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana. |
| 7 | Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko. |
| 8 | Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho. |
| 9 | Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony; |
| 10 | Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany. |
| 11 | Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko. |
| 12 | Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana? |
| 13 | Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako. |
| 14 | Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry; |
| 15 | Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato; |
| 16 | Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko. |
| 17 | Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao, |
| 18 | Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso? |
| 19 | Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora? |
| 20 | Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho? |
| 21 | Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho. |