| 1 | Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: |
| 2 | Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao? |
| 3 | Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny? |
| 4 | Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany. |
| 5 | Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha. |
| 6 | Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao, |
| 7 | Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. |
| 8 | Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany |
| 9 | (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany); |
| 10 | Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony? |
| 11 | Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano? |
| 12 | Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra. |
| 13 | Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, |
| 14 | Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny. |
| 15 | Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny. |
| 16 | Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny; |
| 17 | Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany; |
| 18 | Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho. |
| 19 | Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka. |
| 20 | Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy; |
| 21 | Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao. |
| 22 | Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy. |