| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: |
| 2 | Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? |
| 3 | Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza. |
| 4 | Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona? |
| 5 | Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany, |
| 6 | Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny; |
| 7 | Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana; |
| 8 | Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina; |
| 9 | Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo, |
| 10 | Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa. |
| 11 | Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro. |
| 12 | Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao? |
| 13 | Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny. |
| 14 | Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy; |
| 15 | Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko. |
| 16 | Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy. |
| 17 | Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana. |
| 18 | Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy. |
| 19 | Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko? |
| 20 | Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy. |
| 21 | Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona. |
| 22 | Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa. |
| 23 | Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy. |
| 24 | Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary? |
| 25 | Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory. |
| 26 | Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina. |
| 27 | Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana, |
| 28 | Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho. |
| 29 | Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana? |
| 30 | Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona, |
| 31 | Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho. |
| 32 | Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana. |
| 33 | Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta. |
| 34 | Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany, |
| 35 | Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho. |