Salamo 100
| 1 | Salamo ho fiderana. Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra. |
| 2 | Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana. |
| 3 | Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny. |
| 4 | Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany, |
| 5 | Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany. |