| 1 | Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako. |
| 2 | Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy. |
| 3 | Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana. |
| 4 | Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza. |
| 5 | Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro. |
| 6 | Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo. |
| 7 | Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano. |
| 8 | Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana. |
| 9 | Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko, |
| 10 | Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray. |
| 11 | Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho. |
| 12 | Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby. |
| 13 | Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana. |
| 14 | Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy. |
| 15 | Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao; |
| 16 | Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy; |
| 17 | Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany. |
| 18 | Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah; |
| 19 | Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany, |
| 20 | Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty, |
| 21 | Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema, |
| 22 | Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah. |
| 23 | Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy; |
| 24 | Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby. |
| 25 | Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra. |
| 26 | Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy; |
| 27 | Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra. |
| 28 | Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao. |