| 1 | Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. |
| 2 | Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, |
| 3 | Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, |
| 4 | Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, |
| 5 | Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery. |
| 6 | Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina. |
| 7 | Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany. |
| 8 | Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po. |
| 9 | Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay. |
| 10 | Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika. |
| 11 | Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy. |
| 12 | Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. |
| 13 | Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy; |
| 14 | Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika. |
| 15 | Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, |
| 16 | Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany. |
| 17 | Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka. |
| 18 | Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny. |
| 19 | Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao. |
| 20 | Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny. |
| 21 | Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. |
| 22 | Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. |