| 1 | Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany. |
| 2 | Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. |
| 3 | Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah. |
| 4 | Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany. |
| 5 | Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany, |
| 6 | Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba. |
| 7 | Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany. |
| 8 | Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby, |
| 9 | Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka; |
| 10 | Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely, |
| 11 | Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina, |
| 12 | Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao, |
| 13 | Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa, |
| 14 | Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe: |
| 15 | Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko. |
| 16 | Dia niantso ny mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina; |
| 17 | Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo; |
| 18 | Nampijaliny tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy. |
| 19 | Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah. |
| 20 | Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy. |
| 21 | Nanao azy ho tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra, |
| 22 | Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony. |
| 23 | Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama. |
| 24 | Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony. |
| 25 | Nampiova ny fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony. |
| 26 | Naniraka an'i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy. |
| 27 | Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama. |
| 28 | Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo. |
| 29 | Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony. |
| 30 | Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza. |
| 31 | Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra. |
| 32 | Nahatonga havandra ho solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny. |
| 33 | Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny. |
| 34 | Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa; |
| 35 | Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny. |
| 36 | Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin'ny taniny Izy, Dia ny voalohan'ainy rehetra. |
| 37 | Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin'ny fireneny. |
| 38 | Faly Egypta tamin'ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo. |
| 39 | Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina. |
| 40 | Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy. |
| 41 | Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho renirano. |
| 42 | Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy, |
| 43 | Dia nitondra ny olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana; |
| 44 | Ka dia nanome azy ny tanin'ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan'ny firenena maro ireny, |
| 45 | Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia. |