| 1 | Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony. |
| 2 | Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra? |
| 3 | Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva. |
| 4 | Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho, |
| 5 | Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao. |
| 6 | Efa nanota izahay mbamin'ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay. |
| 7 | Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny Ranomasina Mena |
| 8 | Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe. |
| 9 | Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy, |
| 10 | Namonjy azy tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo. |
| 11 | Dia nosaronan'ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza. |
| 12 | Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy. |
| 13 | Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony, |
| 14 | Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana. |
| 15 | Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy. |
| 16 | Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah. |
| 17 | Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama. |
| 18 | Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy. |
| 19 | Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina. |
| 20 | Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra. |
| 21 | Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta, |
| 22 | Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena. |
| 23 | Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy. |
| 24 | Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny, |
| 25 | Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah. |
| 26 | Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra |
| 27 | Ary ny taranany kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany maro Izy. |
| 28 | Nikambana tamin'i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty, |
| 29 | Dia nampahatezitra an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana. |
| 30 | Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana. |
| 31 | Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay. |
| 32 | Nampahatezitra an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny nataon'ireo; |
| 33 | Fa niodina tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy. |
| 34 | Tsy naringany ny firenena Izay nasain'i Jehovah naringany; |
| 35 | Fa nifangaro tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony, |
| 36 | Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany. |
| 37 | Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia ireo; |
| 38 | Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy. |
| 39 | Ary naloto tamin'ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony. |
| 40 | Dia nirehitra tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany. |
| 41 | Dia nanolotra azy teo an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy. |
| 42 | Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy. |
| 43 | Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony. |
| 44 | Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany; |
| 45 | Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony. |
| 46 | Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy. |
| 47 | Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao. |
| 48 | Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia. |