| 1 | Miderà an'i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony. |
| 2 | Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo, |
| 3 | Sy nangoniny avy tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin'ny ranomasina. |
| 4 | Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana. |
| 5 | Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny, |
| 6 | Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny; |
| 7 | Dia nitondra azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana. |
| 8 | Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! |
| 9 | Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa. |
| 10 | Izay nipetraka tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy, |
| 11 | Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra; |
| 12 | Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy; |
| 13 | Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny. |
| 14 | Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany. |
| 15 | Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! |
| 16 | Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny. |
| 17 | Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony: |
| 18 | Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy. |
| 19 | Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny. |
| 20 | Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany. |
| 21 | Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! |
| 22 | Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana. |
| 23 | Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe |
| 24 | No mahita ny asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina. |
| 25 | Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano; |
| 26 | Niakatra hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana. |
| 27 | Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra. |
| 28 | Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy. |
| 29 | Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano. |
| 30 | Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy. |
| 31 | Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! |
| 32 | Ary aoka hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny fipetrahan'ny loholona. |
| 33 | Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana, |
| 34 | Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo. |
| 35 | Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano, |
| 36 | Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana; |
| 37 | Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be. |
| 38 | Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny. |
| 39 | Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo. |
| 40 | Mampidina fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana; |
| 41 | Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany. |
| 42 | Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra. |
| 43 | Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah. |