| 1 | Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza. |
| 2 | Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho. |
| 3 | Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa. |
| 4 | Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao. |
| 5 | Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao. |
| 6 | Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio. |
| 7 | Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko; |
| 8 | Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda; |
| 9 | Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako. |
| 10 | Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma? |
| 11 | Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô? |
| 12 | Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona. |
| 13 | Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika. |