| 1 | Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako ô, aza mangina Hianao, |
| 2 | Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga izy. |
| 3 | Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy. |
| 4 | Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka. |
| 5 | Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana. |
| 6 | Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany. |
| 7 | Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana. |
| 8 | Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany. |
| 9 | Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny |
| 10 | Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy. |
| 11 | Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany. |
| 12 | Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty. |
| 13 | Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany. |
| 14 | Aoka hotsarovan'i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny. |
| 15 | Aoka ho eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin'ny tany anie ny fahatsiarovana azy. |
| 16 | Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy; |
| 17 | Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany. |
| 18 | Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin'ny taolany tahaka ny diloilo; |
| 19 | Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva. |
| 20 | Izany no famaliana avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy. |
| 21 | Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao. |
| 22 | Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko. |
| 23 | Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho. |
| 24 | Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko. |
| 25 | Ary izaho dia tonga fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha. |
| 26 | Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho; |
| 27 | Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany. |
| 28 | Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao. |
| 29 | Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba. |
| 30 | Hidera an'i Jehovah indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako Azy. |
| 31 | Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny. |