| 1 | Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe. |
| 2 | Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy. |
| 3 | Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. |
| 4 | Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. |
| 5 | Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny. |
| 6 | Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa. |
| 7 | Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; |
| 8 | Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana. |
| 9 | Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany. |
| 10 | Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy. |